mardi 24 janvier 2017

Samy liana amin’ny fampivelarana ny maha-olona avokoa ny rehetra ankehitriny, na fikambanana tsotra io, na antoko politika, na ny antokom-pivavahana, na ny fanabeazana aza moa  dia tsy hay lazaina intsony. Zava-dehibe ho an’ny firenena iray tokoa araka izany ny fananana olom-pirenena vanona ka mahatonga izany ho vaindohan-draharaha eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Eo anatrehan’izay ary dia mipetraka ny fanontaniana hoe : Maha olom-pirenena vanona tokoa ve ny fahaiza-miaina sy ny fitiavan-tanindrazana ? Dia mbola ahitana petrak’olana toy izao indray, zavatra roa loha lehibe tsy afa-misaraka ve ireo ka manjary lasa fepetra takiana amin’ny maha olom-pirenena vanona ? Hovahavahana miandalana  ary io fanontaniana io ka haroso aloha ny olom-pirenena sy ny fepetra ahafahana miteny izany, ary avy eo ho dinihana ireo antoko maha olom-pirenena vanona azy.

Ndeha ary ho fotopotorana akaiky ireo lalan-tsaina ireo.
Tsikaritra teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy fa hatrizay nahazoan’ireo mpitolona ny fahaleovantena dia somary nihena ny fanehoana ny tena fitiavan-tanindrazana. Ary tsapan’ny mpandinika mihitsy  aza fa toa very sy tsy dia hita taratra intsony ny tena fahalalana, izany hoe olom-pirenena izany, indrindra fa tato anatin’ny roapolo taona taty aoriana, ka eto dia tiana ny  manazava  izany.
Avy hatrany ary dia sokafana amin’ny  alalan’ny mpandinika kalaza iray ny famelabelarana araka ilay nolazainy hoe : “ Biby manao politika ny olona”. Hita soritra araka izany ny fananan’ny olona natiora na toetra voajanahary roa dia ny  maha biby azy, andanin’izay koa dia voatokana hanatanteraka sy hanao fahafaham-pony amin’ny filàny  mba hahavelomany sy hanalavany ny androm-piainany amin’ny maha fisiana ara-biolojika azy. Nefa koa etsy andaniny dia tsy maintsy mitodika amin’ireo izay mitovy aminy dia ny olona toa azy izany. Araka izany, misintona ny maha olona azy avy amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny hafa izy. Koa raha atao ny fandinihana ny hoe “olom-pirenena” dia fandraisana anjara amin’ny fiainam-bahoaka, ny fiainana ara-piaraha-monina, raha ny tokony ho izy dia fidirana an-tsehatra ao amin’ny fiainam-piarahamonina na ara-politika aza. Isan’ny manangana ny maha-olona izany sy ny fanjakana satria ny ivelan’izay dia avy amin’ny tontolon’ny biby. Araka izany, ny olona na tsy olom-pirenena aza  dia andevo, ary tsy manan-tanindrazana. Tsy afa-manatanteraka ny maha izy azy.
Ny olom-pirenena  ihany  koa dia izay mandray anjara amin’ny fiainam-panjakana araka izay tandrify azy avy, ny mponina sy ny mpiara-miombon’antoka  amin’ny fananganana fanjakana. Eo anatrehan’izany dia izay tafiditra amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana no heverina ho izy. Izany dia mivoatra amin’ny alalan’ny fifidianana izay hitondra ny fanjakana na karazana ambaratongam-pahefana inona io na  inona.
Mba manao ahoana ary izany hoe olom-pirenena vanona izany ?
Voasoritra manokana ao amin’ny laza adina ny hoe “fahaiza-miaina”. Raha izany no tomorina akaiky dia tsapa  fa  tsy voajanahary ao amin’ny tsirairay fa noraisina avy aty aoriana, izany hoe noraisina tamin’ny alalan’ny fanabeazana : ny fianakaviana nipoirana, sekoly ary ny fiarahamonina.
Voalohany, ny fahaiza-miaina eto dia ny fifanajana sy ny fametrahana ny soatoavina maha Malagasy. Raha ho antsika Malagasy manokana dia isany lehibe indrindra amin’ireny ny fanajana ny fizokiana sy ny Ray aman-dReny ary ny hasin’ny tanindrazana. Lehibe ny fifanajana satria manome fahatoniana sy fifandrindrana eo amin’ny fiarahamonina na Firenena na fianakaviana. Manatsara ny fifandraisan’olombelona samy olombelona izay miantoka manontolo ny rindran-damina eo amin’ny fiaraha-monina, Firenena ary ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Mitaky fifanakalozan-kevitra mandrakariva koa izy na dia eo aza ny tsy fitoviana sy ny fahasamihafana. “ny hazo eny amoron-drano tsy hay hitovy habe, ny fasika amoron-drano tsy hay hitovy zoro”, ka na inona na inona tsy fitoviana dia sorohana izany. Ka ny fanajana dia fomba iray mahomby anehoana ny zo aman-kasin’ny tena sy ny hafa.
Raha izany no dinihana ka tanteraka dia manana olom-pirenen a vanona ny firenena iray ary azo heverina ho fanohitra enti-mampivoatra ny Firenena izany. Rehefa izay dia feno fahatsirovantena ny olom-pirenena ka mahatsiaro ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fampandrosoana ny Firenena ka sahy hirotsaka antsehatra amin’ny lafin-javatra maro samihafa. Mivoatra ho azy araka izany fa efa manangasanga ny fitiavan-Tanindrazana raha mahay mametraka ny fitiavana sy fanajana ny mpiray tanindrazana aminy ny tsirairay ka eo no tsy maintsy ho resahina manaraka eto.
Mazava loatra fa mitaky fiheritreretana lalina ny amin’izay hahasoa ny Firenena ka ho tombontsoa ho an’ny olom-pirenena tsy ankanavaka hitsinjovana ny maha izy azy ny Firenena.
Misy ny paika tsy maintsy apetraka eo anatrehan’izany, izany hoe ny tsy maintsy hahalalana tsara mialoha ny hoe inona no tena maha-Malagasy anao?
Voalohany indrindra amin’izany: fanajana ireo soatoavina (fihavanana) sy ny fomba amam-panao isankarazany izay mampiavaka azy eo amin’ny firenen-kafa  ary fiteny, fanomezana hasina ireny no takiana voalohany mba hahafahana maneho fitiavan-tanindrazana.
Tsy nodian-tsy hita ihany koa ireo tolona nataon’ireo razambe nentiny nanoherana ny fanandevozana teto amintsika mba hampitsiry sy hampiredareda ny fitiavan-tanindrazana.
Eo ihany koa ny fampahafantarana ny maha iray tsy mivaky ny Malagasy.
Velona sy miaina ny teny Malagasy ary sambatra isika fa manana teny iraisana noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny tenin-drazana araka ilay fitenenana hoe: “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko” milaza fa mila fehezina sy hajaina mba ho ravaky ny tontolo manodidina izay ifaneraserana amin’ny mpiara-belona. Izany anefa dia tokony ho atao am-pahamendrehana , am-pitivana, am-po ary kajiana sy arovana mba ho reharehan’ny Firenena.
Tsaroana manarak’izany ny fiandrianam-pirenena izay ahafantarana ilay tany niaviana ka lalaina. Eo andanin’izany dia tsy hay ny hanadino ny kolo-tsaina sy vakom-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa izay hita fa maneho ireo soatoavina voalaza teo ambony dia milaza fa hany zavatra iray tena manan-danja tokoa izany ka ilaina ny fanajana ireny ary koa manandratra azy ireo avo any amin’ireo firenen-kafa.
Tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny tontolo izay nomen-janahary, ny harena isan-karazany izay nomeny mba hanatsarana ny tontolo manodidina antsika tsy inona izany fa ireo zava-maniry sy zava-manan’aina ary  ireo harena an-kibon’ny tany.
Tombontsoa lehibe ho an’ity nosy misy antsika ity ny fananany ireo karazana harena maro samihafa izay mampiavaka antsika amin’ny firenen-kafa ireo. Misy ary izy ireo no tsy hita afa-tsy eto amin’ity nosintsika ity. Fiarovana : ny biby, ireo zava-maniry, ala mba tsy ho lany  tamingana sy ho lovan’ny taranaka fara-mandimby ary ho reharehan’ny tanindrazantsika ka hampisy voninahitra azy eo anatrehan’ny rehetra. Aoka isika mba tsy ahafoy ny tanindrazantsika fa hitia sy hikolokolo azy mba hanehoana ny fitiavana azy, araka izany tokony tsy hanimba ny tontolo iainana fa hanaramaso  ny harentsika tsy ho azon’ny hafa ary manafoana ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena “ hoy mantsy ilay fitenenana fanaon’ny Ntaolo hoe : izay mandoro tanety, nandoro tanindrazana”.
Amin’ny maha olom-pirenena, tsy adino ny fandraisana andraikitra ao amin’ny firenena misy an’ny tena. Tsy azo hodi-tsihohita ny zo sy ny adidy izay miandry ny tsirairay ao anatin’izany ny fifidianana. Na ny mpilatsaka ho fidiana na ny mpifidy dia samy manana andraikitra avokoa. Ny mpilatsaka dia tokony hanatanteraka sy hanao izay nampanantenainy tamin’ny vahoaka ary ny mpifidy kosa dia hanara-maso akaiky ny asa ataony. Ankoatrizay mila mahafoy tena sy mitolona ary miady ho fampandrosoana ny  tanindrazana isika mba hisian’ny fitondrana tsara rafitra. Anisan’ny ady atrehintsika ankehitriny ny krizy sy ny kolikoly  ary ny fahantrana mangeja ny firenena. Raha  mandresy amin’izany  isika dia miseho ny fitiavan-tanindrazana, ka miverina ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Fampandrosoana sy fampivoarana ho any amin’ny soa satria masina ny tanindrazana ka tsy maintsy tafita i Madagasikara.
Eto ampamaranana dia tsara ny manantitrantitra fa tena ilain’ny isam-batan’olona ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona. Ary hita koa fa io no fanalahidy  hijorany ho  tia tanindrazana sy ahay ihaina. Araka izany ary dia izao no azo ambara mikasika io lohahevitra io, tsy misy firenena mandroso raha tsy ao ny fitiavan-tanindrazana ary tsy lavorary raha tsy misy ny fahaiza-miaina. Koa raha tanteraka ireo dia ho firenena fitaratra amin’ny hafa i Madagasikara ary handroso amin’ny lafin’ny rehetra. Azo lazaina na atao toky ve fa ho vitantsika ny hahatanteraka izany ?
Essay 02, RNF, RJ, RFM

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.