mardi 24 janvier 2017
                  Ny Malagasy dia anisan’ireo mponina tia manaja ary liana tokoa raha ny fahaizamiaina  no resahana. Ny Ntaolo mantsy taloha dia tsy nanao ambanin-javatra an’ireo ka mbola tsy maty ihany koa izy ireo mandrak’ankehitriny. Maro ireo olona tsy mahalala ka mahatonga azy tsy hanaja azy ireny.Izany indrindra no antony iresahan’ny laza adina ny momban’ny ”fitiavan-tanindrazana sy fahaiza-miaina  aty Madagasikara”.  Mba hanamarinana izany dia hovoaboasana ireo fihetsika  maneho ny fitiavan-tanindrazana sy fahaiza-miaina eto Madagasikara.
                    Andeha ary hofakafakaina ireo fietsika maneho ny fitiavan-tanindrazana ka hasongadina amin’izany ny fanajana ny sainam-pirenena,ny fanajana ny tenim-pirenena sy ny fandraisana anjara amin’ny asa atao eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena ary fandoavan-ketra.
Anisan’ny fitiavan-tanindrazana tokoa ny fanajana ny sainam-pirenena satria lazaina fa io no maha firenena ny firenena iray ka izany no mahatonga ny Malagasy mijoro tsara tsy mihetsiketsika sy manila satroka ary mihira mafy mandritra fananganan-tsaina. Tsy ny Malagasy irery anefa no manao izany fihetsika izany fa izay firenena rehetra ka manana saina ihany koa.
                    Manaraka izany dia fihetsika maneho ny fitiavana azy ihany koa ny fanajana ny tenim-pirenena noho izany mampiavaka ny firenena amin’ny firenena hafa izy io ; ohatra ny teny Malagasy dia tsy hitovy velively amin’ny teny vahiny. Fa raha manaja ny tenim-pirenena ny olona iray dia anisan’ireo manandratra avo ny fireneny. Kanefa tsy tokony ihonona amin’ny fahaizana ny teny Malagasy ihany fa ilaina ihany koa ny mianatra ny teny vahiny mba entina hapandrosoana ny rirenena;arak’ilay oham-pitenena hoe: ”andrianiko ny teniko ka ny afa ihany koa feheziko”.
                    Fanampin’izany ny fandraisana anjara amin’ny asa atao eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena mba hisian’ny fandrosoana maharitra. Anisan’izany ny fanaovana ny asa  an-tana-maro,ny fanamboarana làlana mba ahafaha ny tantsaha mifamezivezy  sy ny vokatra miakatra an-tanan-dehibe ihany koa. Ny fanadiovana ny tànana  izany no mahatonga an’ilay ohabolana hoe: ”asa vadi-drano tsy vita raha tsy hifana  nkohonana”.
                   Tsy izany ihany fa ny fandoavana hetra koa dia anisan’izany.mba hanatsaranany tànana sy hanapiana ny kitapom’bolan’ny fanajakana ho fandoavana ny karaman’ireo mpiasa mpanjakana rehetra sy hanatsara ny foto-drafitr’asa .Kanefa dia mbola maro ireo olona tsy tia ny tanin-drazany satria tsy mazoto mandoha hetra raha eto Madagasikara,ary tsy vitsy ihany ka anefa ireo olona mandoha mba ho fitsinjivany ny fireneny.Maro ireo karazan-ketra ohatra amin’izany ny hetra trano, ny hetra tany ,ny hetran’omby , ny hetram-barotra.
                  Hita amin’izany ary ireo fihetsika fanehoana ny fitiavan-tanindrazana;ny fanajana ny sainam-piirenena,ny fanajana ny tenim-pirenena sy ny fandraisana anjara amin’ny asa atao eo anivon’ny fiaraha-moninaary ny fandoavan-ketra.Andeha ary hoi resahina etoana ny momban’nyfahaiza-miaina ,ao anatin’izany ny fanajana ny tontolo iainana sy fanajana ny fitsipika napetrakin’ny fiaraha-monina ary ny fampiarana am-pahendrena ny fahalalana anana.
                Ny fanajana ny tontolo iainana tokoa dia anisan’ny loha lahan-daharan’ny eo anivon’ny firenena sy ny fiaianan’ny zanak’olombelona noho izy miantoka ny fahavelomany sy loharanom-pahasalamana, tahaka ny tsy fanaovana maloto eny rehetra eny, ny tsy fanariana fako eny amin’ny manodidina raha tsy misy ny fanariam-pako,ao anatin’izany ihany koa ny tsy fanaéoana doro tanety satria ireo dia anisan’ny manimba azy, ary misy mihintdy az ny ohabolona miteny hoe: ”izay mandoro tanety dia mandoro tanindrazana”. azo laina ary fa ao anaty fahaiza-miaiana izany rehetra izany.
               Manampy izany rehetra izany ihany koa  ny fanajana ny fitsipika napetraka ny fiaraha-monina mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ny fifanajana ny dinam-piaraha-monina,ao ihany ka ny fanaovana adidy eo anivon’ny fokotany satria : ”ny adidy dia tsy hoan’ny olon-dratsy” hoy ny ny Ntaolo.
                Etsy andanin’izany ny fampiharana am-pahendreana ny fahalalana ananana satria zava-poana ny fahalalana raha tsy misy ny fahendrena, ohatra azo raisina amin’izany ny fahalalam-poban’ireo mpianatra izay tsy  mahalala miarahaba akory raha mba mandalo olona lehibe, fa ny tena zava-doza dia maro ihany koa izy ireo tsy manao mbay lalana rehefa mandalo olona lehibe noho izy. Izany rehetra izany dia tokony hampiarina fa tsy havela ho very maina fotsiny satria fahaiza-miaina tena tsara indrindra.
                 Eto ampamaranana ary dia lazaina fa fihetsika roa tsy tokony hisaraka raha ny fitiavana ny tanindrazana sy ny fahaiza-miaina. Ka raha voafehy tsara izy roa ireo dia handroso malaky ny firenena ary tsy hisy intsony ny fanavakavahana. Akehitriny ary ve dia mbola ireo olona manana heritreritre ny hitia ny tanindrazana sa efa very ny vola fotsiny?
Essay 25, RSL, RN, NA

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.