Tuesday, January 24, 2017

 

Talohan’ny taonjato faha enina ambiny folo dia tao anatin’ny Fanjakana tsy refesimandidy ny ankamaroan’ny Firenena eran’izao tontolo izao,fa indrindra tao Eoropa. Nefa taty afara dia niova ny rafi-pitondrana noho ny famantarana sy ny fanambarana ny zon’olombelona mba hentina hanatsarana bebe kokoa ny amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fiaraha-monina,mba hampisongadina ny maha olona.Miresaka an’izany ity laza adina ity ,manao hoe : ”Ny fanajana ny zon’olombelona dia manandratra ny maha olona” .Ahoana no ahafantarana fa misandratra ny olona iray noho ny fanajana ny zony ? Mba ahafahan-tsika hamaly an’io fanontaniana io dia hojeren-tsika voalohany,ny atao hoe zon’olombelona sy ny mikasikasika azy;ary mba hahazahoan-tsika bebe kokoa ny zon’olombelona,dia hovoaboasantsika manaraka ihany koa ny fanajana izany zon’olombelona izany sy ny mety ho endrikin’ny fiaraha-monina anaty, amin’ny farany kosa no hamakafakain-tsika ny tsy fahazarizarian’izany fanajana ny zon’olombelona .
Inona tokoa moa no atao hoe zon’olombelona ? Ndao hojeren-tsika eto ambany ny valin’izany sy ny mikasikasika azy rehetra.
Ny atao hoe zon’olombelona dia ireo zo fototra mba hiarovana ny olona rehetra tsy ankanavaka,na avy aiza,na inona ny volon-kodiny,…
Tamin’ny taonjato faha XVII sy XVIII no efa namolavola ny fahafahana sy fitovian-jo ho an’ny olona rehetra ireo Filozofa Eoropeanina,n’aiza n’aiza no misy azy ary mandritra ny andro iainany.Ary nametraka ny fitoviany Andriamanjaka sy ny olona entina. Tamin’ny taona 1948 no nanatsarana izany zo izay atao tamin’ny 1789 izany am-pahibemaso . Nohon’ny ady lehibe faharoa sy ny habibiana nataon’ny fitondrana Nazy, no nanatsaran’ireo firenena tao anatin’ny fikmbanana’ny Firenena Mikambana na ONU, amin’ny endriny vaovao izany zon’ny olombelona izany. Tamin’io ihany koa no teraka ireo zo hafa toy ny zo ara-ekonomika sy ara-sosialy izany hoe : fahafahana miasa, mitsabo ary ny fanampiana ara-bola raha toa ka misy olana.
Izany zon’olombelona vaovao izany dia narahin’ny andian’ny teny maromaro amin’ny fanatsarana azy, indrindra fa ny zon’ny ankizy, izay notanterahina tamin’ny taona 1959. Ny fikambanan’ny Firenena Mikambana na ONU dia miantoka indrindra indrindra ny amin’ny fiarovana ny fampiasana ny zon’olombelona maneran-tany, ary afaka manasazy ihany koa izy amin’ireo Firenena tsy manatanteraka izany.
            Izay nojerevantsika teo dia ny mikasika sy ny atao hoe zon’olombelona, ka hojerentsika manaraka ny fanajana izany sy ny mety endrikin’ny fiaraha-monina anatiny.
            Ny fanajana ny zo dia ny mba hibanjinana ny fiainan’ny tsirairay tsy misy ankiteritery nefa mazava tsara. Manana fifandrisana lehibe amin’ny fiaraha-monina koa ny zon’ny olombelona satria ny tsy fanajana ny fiaraha-monina sy ny zon’olombelona dia samy mety ho tratran’ny fampiharan-dalana avokoa. Izany hoe ; ny hisian’ny fanajana sy fampitovizana ny olona rehetra ary ny fitovian-kevitry ny rehetra no manamboatra sy manarina ny endriky ny fiaraha-monina tena izy sady milamina. Eo amin’ny lafiny fiaraha-monina dia tena mivelatra tokoa ny fampiharana ny zo satria, avy amin’izany, no hampirindra ny fiainan’ny olona rehetra. Ary midika ho fisiana fitsipika avy hatrany koa izany fiarahana. Fitsipika mifehy ny fihetsiky ny tsirairay miaina ao anatiny, sy ny fitsipika mamaritra ny tsara natao izay tokony arahina sy an-katoavina ary ny ratsy kosa tokony ho rarana ; izany no fitsipika tiana resahina eto. Arak’izany ny olona irery ihany no mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, raha toa ka, mahay manaja ny zo eo amin’ny fiaraha-monina.
            Noho izany, tsy manary ny maha izy azy ny olona akory ny fanaja ireo zo izay mipetraka eo anivon’ny fiaraha-monina. Saingy kosa arakaraka ny fiaraha-monina iainan’ny olona iray no mampivelatra izany. Ka ndeha ho jerentsika farany ny tsy fahazarizarian’izany fanajana ny zon’olombelona izany izay mandentiika ny maha olona.
            Na dia voalaza fa mitondra ny olombelona amin’ny fiainana metimety kokoa ny fananany zo, kanefa mbola manana olana goavana isika olombelona satria tsy voahaja io zo io, ary indrindra moa eo amin’ny Firenena eo an-dalam-pandrosoana. Alaintsika ohatra amin’izany ny zo mba hianatra. Tsy voahaja io zo io kanefa fantatsika fa ny fianarana no mampisondrotra ny olona iray eo amin’ny fiainana. Fantatra izany far aha ny Firenena iray no mbola ahitana olona maro an’isa izay tsy nandalo fianarana dia tsy hisy fivoarana izany firenenana izanysatria miha-milentika ny zo maha olona azy. Etsy an-kilany anefa ao amin’ny fampianarana no ahitana ny fanajana. Midika izany fa tsy hifanaja ireo olona maro an’isa ireo ka hiafara amin’ny fisintahany maha olona tsikelikely izany. Tsy ny fianarana ihany anefa no mandentika ny maha olona fa ao anatiny koa ny tsy fahafenoan’ny zo hafa toy ny hifidy, hamoaka hevitra, zo ara-tsakafo, fitafy, trano onenana, …
            Eto am-pamaranana dia fantatra fa ny fananan’olona zo feno no maha olona sy rmampifanaja ny olona rehetra. Ary nampahafantatra antsika izany  koa ny famelabelarana izay nojerentsika teo, fa ny faniratsirana, tsy fanajana, fanimbana, fanavakavahana,… dia manindry ary mamono tanteraka ny zon’olombelona. Ary fantatsika koa fa ny Fanjakana sy ireo fikambanana vaventy dia tsy mijery fotsiny io olana io fa manao izay fara heriny mba hanovana izany rehetra izany. Ka eto dia mitondra antsika amin’ity olana ity izany rehetra izany ; “moa ve azo heverina fa voavahan’ireo fanjaka sy ireo fikambanana vaventy ireo izany olana izany?”
Essay 43, TTA

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.