mardi 24 janvier 2017

(Lahatsoratra nivoaka an-gazety ny Alarobia 20/04/2011)

 

 

Ny tanora sy ny fitiavana

 

Fitiavana ! Io indray no lohahevitra niarahana nitafatafa tamin’ny tanora avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra ny zoma 15 aprily lasa teo. Mahaliana ny tanora ny atao hoe fitiavana. Tsapa ihany koa anefa fa mifangaro amin’ny tanora ny atao hoe tena fitiavana sy ny fitsiriritana.

Toy izao ny fanazavana nentin’ny

Dr Raharison Andrianaina Neuropsychiatre sy psychothérapeute….

 

Famaritana

Fihetsehampo ny fitiavana ary misy karazany roa. Voalohany amin’izany ny fitiavan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay manan-danja be mihitsy satria io no mitaiza, mikolo, ny zanaka, ary io ihany koa no mampianatra azy hahay hitia sy hahay hiriaria amin’ny manodidina azy. Raha tsara ny fifankatiavana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia ho tsara, na ho tsara lavitra kokoa ny fifandraisan’ny zanaka amin’ny hafa. Ny karazana fitiavana faharoa kosa dia mitsimoka mandritry ny maha-adolantsento. Rehefa tonga eo amin’ny taonan’ny fahamaotiana ny olona dia miova ny toe-tsainy sy ny toe-batany, nohon’ny hormônina miasa ao amin’ny vatany, ny kolon-tsaina azony, ny fari-piainana…Ankoatra izay dia te hanana ny maha izy azy ny tanora, te ho samihafa amin’ireo namany izy na te hihoatra azy ireo ihany koa. Matetika koa dia misy olona iray ataony filamatra (idole).Araka izany dia miova eto izany ny famaritana ny atao hoe fitiavana ka ny ray amandreny no matahotra voalohany sao ho “lasan’ny olona ny zanany”.

Firy ary ny taona idealy hidirana amin’ny fitiavana?

Tsy misy taona ny fitiavana saingy misy fetrany, arakaraky ny fotoana itrangany. Misy zaza 3 na 4 taona efa mahatsiaro tena ho tia saingy mionona amin’ny fitiavana te hijanona ho eo akaikin’ilay olona “tiany” fotsiny ny fitiavany. Eo amin’ny faha-9, 10, 11 hatramin’ny 13 taona dia mivadika ho “sentiment amoureux” izany fihetsehampo izany : fitsiriritana olona iray, fitiavana te hanatona azy, fieritreretana azy amin’ny fotoana rehetra. Arakaraky ny fitomboan’ny taona no mampihita-tsaina te hanao zavatra hafa toy ny mifanoroka, ny mifanafosafo… Ny mampalahelo dia be loatra ny zavatra hitan’ny tanora amin’ny haino aman-jery hany ka tsy misy fetra mipetraka intsony ho an’ny ankizy.

 

Ahoana ny fitiavana eo amin’ny ankizy lahy 17 taona sy ankizivavy 13 taona?

Raha mbola ao amin’ny sokajy “jeune ado” dia misy maha samihafa azy be mihitsy eo amin’ny toe-tsaina sy ny toebatan’ny tanora 13 sy 17 taona. Arakaraky ny mahakely ny taona mantsy no mahabetsaka ny fifasamihafana koa. Amin’izao vanim-potoana izao dia mirona amin’ny rendrarendra sy fisehosehoana ny fiainana ary voasintona amin’izany ihany koa ny tanora. Ny soatoavina na ny tanjona izay heveriny ho lehibe, tratrarin’ny ray amandreny eo amin’ny fitaizana ny zanany kosa no iarovan’ny ray amandreny azy amin’izany, toy ny finoana, ny fahendrena, ny fianarana ohatra. misy fiantraikany amin’ny fiheveran’ny tanona ny fitiavana izany.

 

Raha tsy manao izao ianao dia tsy tia ahy …

Ny fanontaniana tsara apetraka dia ny hoe “Ny fitiavana ve fitiavan-tena sa fitiavana ny hafa?” ; Ny sitrapoko tokoa ve no tokony atao sa tokony hoheveriko ny an’ny olona tiako sa ny fikambanan’izy roa?

Tsy terena ny fitiavana ary “fifankatiavana” no tokony ho izy, izany hoe tsy

 

Ahoana ary ny momba ny Fampirafesana?

Araka ny lalàna dia rehefa manambady ihany no tsy azo atao ny mampirafy ; fa amin’ny maha olona dia tsy eken’ny saina izany satria fitiavana no resahina eto. Rehefa tia olona iray dia tsy tokony hitia olona hafa.

 

Maditra ve raha manao sipa?

Tsy maditra ny manao sipa fa misy fetrany ny zavatra rehetra. Raha 13 taona ianao dia misy zavatra tsy tokony hatao. Toy izany ihany koa raha 15 na 18 taona ohatra. Ny ray amandreny no tokony hametraka izany fetra izany. Matetika anefa ny ray amandreny dia manakana fotsiny tsy misy fanazavana ka lasa manandrakandrana ny zanaka ary vao maika aza mahavita zavatra ratsy kokoa izy ireo. Tsy maintsy misy foana ny fifampiresahana eo min’ny rayamandreny sy ny zanaka.

Ny ankamaroan’ny ray amandreny Malagasy moa dia mbola mitana ilay hevitra hoe : ny fitiavana dia zavatra iray izay tsy omena afa-tsy olona iray, ilay olona safidy iriana hiara eo amin’ny fiainana. Ny tena olana moa dia efa misokatra be amin’ny any ivelany ny tanora ankehitriny ; ny ray amandreny anefa mbola mijanona amin’ny fitaizana hentitra be ary miteraka “fifanolanana” izany.

 

Mety hametra ny tanjona eo amin’ny fiainana ve ny fitiavana?

Raha 13 taona dia tsy afaka mi”gérer” tanjona na fianarana miaraka amin’ny fitiavana. Eto dia tsy mety ny mifankahita isan’andro hatreo amin’ny 15 taona ohatra.

 

Rehefa miaraka ve ny olon-droa dia tsy maintsy misy “sexualité”?

Tsia, misy dingana izany. Ny fidirana amin’ny firaisana ara-nofo dia tsy hatao tsy nahy na an-tery. Misy fandinihina na fieritreretana eo amin’ireo olon-droa hoe “efa tonga eo amin’ny fotoana hidirana amin’izany ve aho sa aloha loatra izao?”. Anjaran’ny ray amandreny no miara mandinika izany amin’ny zanany mba tsy ho ny namana indray no manome hevitra azy mahakasika izany.

 

Ahoana ny atao hilazana ny ray amandreny fa manana sipa na miaraka amin’ny olona?

Tsy afaka avy hatrany dia tenenina aminy hoe miaraka amin’ny olna. Tsy maintsy miresaka ianareo isan’andro amin’ny zavatra hafa amin’ny fiainana toy ny fianarana, ny fanatanjahan-tena, fa tsy hoe rehefa iny ihany vao hiteny aminy hoe “izaho miaraka amin’ity tovolahy na tovovavy ity. Ampidirina tsikelikely ilay izy ohatra : “misy ankizy namako any mahafinaritra ahy…” Rehefa avy eo vao atao tsapan’ny ray amandreny, arakaraky ny taona ihany koa.

Ny resaka “confiance” na fifampatokisana aloha no tsy maintsy apetraka voalohany eo amin’ny ray amandreny. Tsy maintsy homena toky ny ray amandreny hoe na hiaraka aman’olona aza ianao dia tsy hanaonao foana fa ao anatin’ny fiainana ny fiarahana eo amin’ny tovolahy sy ny tovovavy.

Fa maninona ny ray amandreny no matahotra ny hiresaka fitiavana amin’ny zanany?

Tsy fahatokisan-tena na tahotra no mety ho antony. Sao tsy mety ny zavatra tenenina ny zanaka ka hitarika azy hanaonao foana indray. Mety misy koa zavatra avy any amin’ny lasany mety manakana azy tsy hiresaka fitiavana amin’ny zanany.

.

—————— * ——————-

 

Hevitry ny Censeur, RANDRIANARIVO Liaha

 

Mahakasika ny fitiavana manokana dia tonga izy rehefa fotoanany ho an’ny tanora, raha tsy voatari-dalana kosa anefa izy amin’io fotoana io dia hivoana ho lasa filan’ny nofo fotsiny izany noho ny rivotra entin’ny tontolo manodidina sy ny fiantraikan’ny serasera isan-karazany. Vao mitsiry fitiavana ny tanora dia hita fa tena « idéaliste » tokoa saingy noho ireo antony voalazako tetsy ambony dia miova izany avy eo.

Ho an’ny sekoly Jules Ferry manokana dia misy fitarihan-dalana efa nataony hatramin’izay ary azo lazaina ho izy mihitsy no namorona ilay lohahevitra. Toroina lalana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ny ankizy ka resadresaka tena misokatra tanteraka no anaovana izany, ny ao amin’ny infirmerie no miandraikitra azy ary rehefa misy mpianatra manana « heure creuse » ohatra dia manatona izy ireo ary mitafatafa. Mahakasika io « activités » eto amin’ny sekoly io dia misy ny fifaninanana isan-karazany karakarainay mahakasika lohahevitra maro mba hampiaran’ireo ankizy ny lesona voarainy. Misy ihany koa ny fanampian’ireo « père éducateur » amin’ny fanentanana indraindray saingy misy izy ireny no toa mamporisika ankolaka ny ankizy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo ihany saingy miaro tena kosa.

Ankoatra izay dia tsy mahamenatra ahy mihitsy ny miteny fa misy fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny tsy ankasitrahako : mahakasika ireo voalaza fa discothèque eto Antananarivo. Misy dokambarotra izay tena milaza mihitsy hoe : « Toutes les filles sont gratuites ». Saronana ao anaty « mody » tsy fahaizana miteny frantsay ny hafatra tiana ampitaina. Ireo tovovavy rahateo, mampalahelo fa betsaka no teren’ny fahantrana ka lasa manao fitaovana ny tenany. Fanapotehina firenena ny fanaovana ireny.

Ho an’ireo ray amandreny kosa, na teren’ny fiainana sy ny fitadiavana aza dia tsara hatrany ny manokana fotoana ho an’ny ankizy. Rehefa faran’ny herinandro ohatra dia atao fahazarana mihitsy ny mitondra azy ireo mandeha mitsangatsangana ohatra. Tsy andrasana ho lehibe ny ankizy fa mbola kely izy dia efa zarina izany. Ilaina velarina ny fifanakalozana am-po ka isan’ny mampahazo vahana izany io voalaza etsy ambony io. Farany, ilaina foana ny fifanakalozana sy ny fifandraisana fa tsy avy hatrany dia manasazy.

.

———— * ————-

.

Princio : ilaina foana ny mihaino ny ray aman-dreny

 

I Princio indray no mpanakanto niaraka tamin’i Jejoo, nitafatafa tamin’ireo mpianatry ny Lycée Jules Ferry Faravohitra. Toy ny mahazatra dia nitondra ny fomba fijeriny ihany koa i Princio manoloana ilay lohahevitra hoe « Ny tanora sy ny fitiavana ». Isan’ny nadraisany fitenenana manokana ohatra ny momba ny fahitany ilay toe-java-mitranga, toa zary lasa lamaody ankehitriny : vehivavy efa be taona miaraka amin’ny tanora lahy vao herotrerony. Aminy manokana, tsy misy loatra ny olana amin’izany fa misy mahatsara azy mihitsy aza izany. Tsikaritra, hoy izy, fa mora matotra kokoa ny vehivavy nohon’ny lehilahy, mahay mitsinjo ny lavidavitra kokoa. Izay no mahatonga ilay sary mahazatra hoe ny lehillahy no zokin’ilay vehivavy miaraka aminy. Mba miova indray anefa raha ny lehilahy indray no zandry satria midika izany fa misaina kokoa ny lehilahy mahasahy miaraka amin’ny vehivavy zokiny. Ankoatra izay dia anatra lehibe iray napetrak’i Princio, niainga tamin’ny traik’efa niainany ny hoe : tokony hihaino ny tenin’ny ray aman-dreny foana ny zanaka. “Isan’ny nanenenako, hoy izy, ny tsy dia nihaino loatra ny dadako. Maty izy nony avy eo ary teo vao tsapako fa marina ny fananarany ahy rehetra. Tsy voatery ho manana ny marina foana, hoy ihany izy, ireo ray aman-dreny saingy na ahoana na ahoana, matoa izy ireo miteny dia izay hahasoa ny zanany hatrany no katsahiny”.

.

—————– * ——————

.

Témoignages Vavy :

Fitiavana , 16 taona : Mbola tsy amoureuse aho. Tsy haiko ny hamaritana izany hoe « amoureuse » izany. Raha ny « âge idéal » tokony haha-amoureuse dia 18 na 19 taona.

 

Tiffany, 17 taona : Efa amoureuse aho. Raha tena fitiavana tena fitiavana dia eo ho eo amin’ny 15 na 16 taona no taona mety haha-amoureuse. Raha ny amaritana ny hoe « amoureuse » indray, dia taloha ohatra mety ho nanana « critères » be fa rehefa tena tojo an’izay tiana dia « on l’aime pour ce qu’il est ».

 

Karen, 17 taona : Efa « amoureuse » aho. 16 taona no tena mety raha « amoureuse ». Ny « amoureuse » dia indraindray mahavita zavatra tsy fanao. Ohatra hoe tsy avelan’ny ray aman-dreny mandehandeha dia tsy maintsy mahita fomba hivoahana foana.

 

Saraha, 16 taona : Efa amoureuse aho. 17 taona na 18 taona no « âge idéal » hoe ho « amoureuse » izany. Ny hoe « amoureuse » indray dia mahavita manao sacrifice be amin’izay atao na amin’ny zavatra sarotra atao aza.

.

—————- * ——————

.

Témoignages lahy :

Mamizara, 18 taona : Efa nanao sipa ve ianao ? indray mandeha, tsy feno herintaona.

 

Rindra, 17 taona : Ny hevitrao mahakasika ny tanora sy ny fitiavana ? normal, tsy ditra fa naturel fa arakaraky ny olona ihany. Mba misy fetrany arakaraky ny taona.

 

Rolphe, 18 taona : firy taona izao ny vehivavy mety tianao hiaraka aminao? 20 na 25 taona no mety amiko satria ireny no matotra, tsy dia miodina be

 

Rsmau, 17 taona : Firy izao ny ankizivavy niaraka taminao? Firy taona ianao no nanomboka nanao sipa? 17 ny isany ary 15 taona aho no nanomboka nanao sipa

 

Nantenaina, 16 taona : Efa latsa-pitia ve ianao? Efa latsa –pitia aho fa nahasorena ahy ilay izy dia najanoko

 

Nofisoa, 16 taona : Efa nanao sipa ve ianao ? Mbola tsy sahy miditra amin’izany. Rehefa tonga ny fotoana dia ho fantatro eo ihany.

 

Nahina, 17 taona : Efa nahatsapa izany hoe tena fitiavana ve ianao? Te handalo izany tena fitiavana izany aho fa mbola tsy nahita an’izany ; fa efa manana sipa.

 

 

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.